Monday, December 24, 2012

Misara-nono hisotro-ronono






NY SARY: Tetsy Mantasoa; Hita avy any ambany tafo... sy ny zaridainanay
Tamin’ny volana aout 1988 no nanomboka niasa tao amin’ny UNICEF ary ny 31 janvier 2012 no nijanona raha mbola tao Port au Prince, Haiti. Arak’izany dia nanomboka nisotro ronono tamin’ny volana fevrier 2012 teo. Rehefa dinihina anefa ny natao tamin’iny folo volana lasa iny dia toa mbola tsy nisara-nono. Jereo ange e:
Nandrindra sy nanafana ny retraite ny mpiasan’ny UNICEF ny volana mars. Nanao izany ihany koa ho an’ny PNUD ny volana avril. Ny volana mai dia nitarika atelier (Workflow simplification) niaraka tamin’i Bharat ho an’ny UNICEF Mada ihany. Nandeha iray volana mahery (5 semaines) tany Dakar nampiofana PPP ny mpiasan’ny region Afrique de l’ouest et centrale tamin’ny teny angilisy sy frantsay. Nanampy ny birao UNICEF Mada nanao analyse de situation manaraka ny approche droits humains tamin’ny volana mai-aout ary nitarika atelier de formation RBM ho fanomanana programme vaovao tamin’ny volana octobre ho an’i UNICEF Mada ihany… Izao dia miandry billet sisa handehanana manao vonjy-taitra enimbolana any amin’ny region MENA ary na ny UNLP aza dia efa aty an-tanana indray… Arak’izany dia toa lava ihany ilay fisarahan-nono. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: fa ronono samihafa angaha izy ireo?
Ny marina dia toa mbola mahatsiaro tena ho afaka hanome anjara-biriky amin’ny fivoaran’ny fiainan’ny daholo-be nefa tsy mbola mazava tsara hoe aiza no azo hanaovana an’izany eto Madagasikara… Raha ny fampiofanana aloha dia mbola tokony hanantona ny tompon’andraikitra: ENAM, IEP, Universites catholique sy protestante, etc… Eny amin’ny INSPC no efa misy fanantenana fa azo hampidirana ny APBDH sy ny GAR ampiharina amin’ny fahasalamambahoaka. Nefa moa izany rehetra izany dia any amin’ny trimestre farany 2013 any vao mety hitranga.
Vetivety ihany dia niala teny Soavina satria natomboka haingana ny fanamboarana/fanavaozana ny trano eto Imerinafovoany. Soa fa teo I Lalasoa nandrindra sy nanaramaso ny asa rehetra: tafo, salles de bain, menuiserie, maconnerie, fandokona, … Miady varotra, mijery ny kipitsopitsony rehetra ary manara-maso ny asa isan-andro dia tena vitany soa aman-tsara nandritra iny folo volana lasa iny. Amin’izao fotoana hanoratako izao dia mivatravatra ny orambaratra ary mbola misy eny ihany ny mitete amin’ny tafo na ny verriere ao amin’ny terrasse. Na izany aza dia azo lazaina hoe efa mipetraka daholo ny fanaka rehetra ary ny sary hosodoko sisa no mila ahantona eny amin’ny rindrina.
Ny vaovao nahafinaritra indrindra tamin’iny taona iny dia ny nahaterahan’I Tantely, zafikely voalohany: tovolahy sariaka sady be kiry izay mitady hiazakazaka nefa zara raha 8 volana izao. Noho ny fiainana sarotra any Yemen misy ady an-trano dia tonga hanoromponenana eto Antananarivo i Tojo sy Safa’a. Tsy misy ho lazaina ny momba an’I Haingonirina sy Mialy ary Andry samy manao izay mety any am-pita any: I Andry no mbola mianatra/miofana fa izy mirahavavy dia efa samy mikandra mafy ho an’ny tenany daholo. Ny vaovao nampalahelo kosa dia ny fodiamandrin’i Popone sy Leon: namana akaiky sy nahatokisana izy mirahalahy ireo ka sarotra ny hanadino azy.
Raha ny fiaraha-monina indray no jerena dia niditra lalina kokoa tamin’ny fiainan’ny fikambanana Nivo-hary sy ny fivondronana Pandale izahay: samy fikambanam-pianakaviana izy ireo ary mahafinaritra satria manamafy ny fifankatiavana sy ny ny fiaraha-mientana. Ny fanatrehana fanambadiana sy fandevenana moa dia toa mandeha ho azy nefa ange ka tsy tao anatin’ny routine-ko intsony nandritra ny efa-polo taona mahery e! Miverina ato an-tsaiko ny fanontaniana napetrako tamin’I dtoa Jean efa ela be: fa inona moa no tena fifandraisantsika amin’ireo tompo-manjo ireo ? Tsy fantatro marina leitsy fa Havana izy e! Eto Imerinafovoany moa izahay dia tsy very mandeha mihitsy satria manodidina anay eto ny taranak’Itompokolahy Ranaivo Michel izay famangy taloha tamin’ny fahavelon’I Bebe Ramanivo (anabaviny): I Bodo no tena hifampiresahana amin’ny fiainana an-davanandro; I Ra-fely no mivarotra ny ronono velona isan-andro; ary I Marie sy Pauline no associes rehefa hanao contrat institutionnel amin’ny asa hatao! Ny zanak’akohon’I Valencia sy Polo moa dia tonga mamangy eto an-tokontany isa-maraina…  Rehefa asabotsy na alahady dia tonga misakafo miaraka aminay aty I Mama. Arak’izany dia azo lazaina ara-bakiteny fa tafaverina aty an-tanindrazana..
Hoy I Dada fahizay hoe: Aza manao politika leitsy fa tsy haintsika io a! Dia tsy hiresaka politika aho izany fa ‘je n’en pense pas moins’! Aoka fotsiny hamafisina fa raha mbola mitohy ny teteza-mitatra dia tsy misy azoko hatao mety aharitra momba ny fiarovana ny zon’ny ankizy…
Inona no fikasana ho tanterahina amin’ny taona 2013? Hamita araky izay mety ny asa any amin’iny faritra arabo iny; hitsidika tany mbola tsy hita (any amin’ny didy maso ohatra); hikaroka izay fomba tena mahomby hanohizana asa eto Mscar; hamory anay valo mianaka na dia herinandro fotsiny aza eto Imerinafovoany (tamin’ny taombaovao 2010 no niarahanay eni-mianaka farany); hanohy sy hanamafy ny fifaneraserana sy fifanakalozana amin’ny tapaka sy namana izay nilaozana teto 40 taona lasa… ary hanohy ny fiaraha-mientana amin’I Nivohary sy Pandale.
Miarahaba tratry ny fety ary mirary taona vaovao ho feno fahasoavana, fahombiazana, fahasalamana sy fifaliana ho antsika rehetra.
DIA SAMY HO ELA-VELONA MANDRA-PAHAFATINY DAHOLO E!




Sunday, December 23, 2012

J'ai écrit ici pour la derniere fois en février .. donc juste au moment ou je suis parti a la retraite après une dernière réunion a New York. Janvier fut un dernier mois d’activités frénétiques a Port au Prince avec une intervention "mémorable" sur la Protection Sociale ... Byebye a la fine équipe  Asako, Chrystian, Steph, Cara et j'en passe.
Février fut donc le mois du retour au bercail, vers une ville que j'ai quittée en octobre 1971: j'y suis revenu bien sur a plusieurs reprises mais seulement pour quelques mois au maximum, le temps de visiter les parents ou encore au moment d'attendre mon affectation a Tulear en 1978. Cette fois ci c'est pour de bon... même si je vais m'absenter assez fréquemment.
Mars a vu le début des travaux de rénovation d'Imerinafovoany... Lalasoa a pris en main la gestion du truc sans savoir quand cela finira!
Et j'ai eu mon premier contrat avec UNICEF Madagascar pour 'faciliter' leur retraite a Antsirabe (cool!). Ca semble avoir bien marche au point que Fatima Samoura, la Coordinatrice résidente du SNU m'a demandé de faire la même chose avec le PNUD a Mahajanga au mois d'avril...
Le mois de mai je me retrouve de nouveau a co-faciliter un Workflow simplification workshop avec Bharat pour l'UNICEF Tana. Pour ensuite aller passer 5 semaines en juin-juillet a Dakar pour collaborer de nouveau avec Bharat sur un atelier PPP en anglais et ensuite avec Erma en francais. A partir du mois de juin puis en août je me retrouve aussi avec l’équipe UNICEF de Tana pour initier une analyse de situation appliquant l'approche basée sur les droits humains. Apres une petite entracte marocaine a Rabat début septembre pour un atelier PPP je facilite un atelier pour consolider les aspects intersectoriels et transversaux de l'analyse de situation et pour une formation aux étapes de préparation du nouveau programme pays qui doit commencer en 2014.
Et a partir du mois d'octobre je me prépare a partir pour 6 mois dans la région MENA, mais pour le moment je suis toujours ici au centre de l'Imerina..
Pour en revenir a la maison d'Imerinafovoany, je dois avouer que c'est Lalasoa qui a fait l'essentiel et a admirablement survécu aux différentes équipes qui se sont succédées pour travailler sur le toit, les menuiseries, les salles de bain, les peintures, et j'en passe...! Tout est bouclé maintenant et il ne nous reste qu'a accrocher les tableaux aux murs. Nous sommes maintenant prêts a accueillir tout le monde... du moins après qu'on revienne de notre escapade au Moyen/Proche orient.
Malgre toutes ces activités qui, mine de rien, nous ont occupés continuellement depuis février j'ai aussi passé pas mal de temps sur les parcours de golf: a Tana bien sur, ou je suis membre du club du Rova, mais aussi deux fois a Antsirabe, et j'ai même complété une fois les 18 trous du club royal de Rabat. J'ai participe a plusieurs tournois de mon club, ce qui m'a permis de savoir que mon handicap est de 36,2, ce qui me place glorieusement a la quatrième place de la 3eme série du club... J'en suis très fier car il me semble que j'ai bien progresse pendant les 8 mois ou j'ai fait partie du club.
Depuis septembre j'ai aussi bcp de plaisir a faire guiliguili avec notre petit fils Tantely Taha: il est vraiment trop coquin avec son sourire dévastateur et ses tentatives a la c... de se tenir debout des l'age de 6-7 mois. Du coup les grands enfants nous semblent vraiment tres grands maintenant: skype fonctionne a merveille avec Ottawa, Raleigh/Cary NC, et Geneve pour assurer un contact regulier avec Andry, Mialy et Haingonirina. Pour Tojo le souci est moins de le contacter, car il est sur place avec sa femme Safa'a, que de l’aider a recommencer une nouvelle vie professionnelle a Madagascar: ça parait compliqué mais je pense qu'il va y arriver.
La vie sociale a Tana est d'abord centrée sur la famille. Nous avons régulièrement la visite de Mama qui ne se porte pas trop mal, quand ses rhumatismes ne lui font pas des misères . A 84 ans il faut vivre avec, n'est ce pas! Nous faisons aussi partie de l'association Nivohary, descendants de Raharison et Ramanivosoa, mes grands parents paternels, et du groupe PANDALE, nom mythique que seuls les membres peuvent decrypter, avec les cousins de Lalasoa: revoir ces groupes m'a permis de me rememorer ma technique de cuisson du mechoui... A 2 reprises nous avons aussi participe a des quizz en anglais que notre amie Pascale organise avec beaucoup de succès.
Pour ce qui est de la vie politique: WAIT & SEE! J'en suis reste au conseil de mon père qui m'a souvent répété que notre famille n'est pas assez maligne pour faire de la politique...
Quels plans pour 2013? Un sejour de 6 mois dans la région MENA, commençant avec Oman... un voyage a la découverte de l'Extreme orient (en passant par les Etats Unis?), l'ouverture de notre maison d’hôtes spéciale  uniquement réservée aux personnes connues ou personnes connues de personnes connues :), passer plus de temps avec les amis sur place et  tentative de réunion familiale a 8 avant la fin de l’année!
Et voila... une nouvelle année arrive. Je vous la souhaite heureuse et prospère, pacifique et sereine, productive et gratifiante,  en espérant qu'elle nous donnera une occasion de nous revoir.
Amities.

Sunday, February 19, 2012

Back home



Exactly 12 months since my last post on this blog... Obviously I have been very busy or not capable of sitting in front of a blank screen during a whole year!
I have spent exactly one week in Tana and I am still wondering how I will adjust after a 40 year absence. I also rediscover how it is to live in a couple, after a lonely stay in Haiti: It is quite funny to feel frustrated because you don't have enough space for your clothes in the cupboards, already filled with those of your partner, or insist on having your own bathroom with your stuff exactly where you want them to be...
The living room is full of objects and furniture reminding us of all the places where we have been living or traveling and more are still in boxes and suitcases...
I have started to use FB to reconnect with friends and relatives with whom I may start a second career but for the moment nothing is very clear on what I would like to do. I am still very much attached to what I have been doing for the past 23 years and plus.
After getting all the needed connections, i.e. mobile number, internet, satTV, I will slowly get myself on top of the issues to be addressed: housing improvements, work, political environment and my possible involvement/engagement... We will see.