NY SARY: Tetsy Mantasoa; Hita avy any ambany tafo... sy ny zaridainanay
Tamin’ny volana aout 1988 no nanomboka niasa
tao amin’ny UNICEF ary ny 31 janvier 2012 no nijanona raha mbola tao Port au
Prince, Haiti. Arak’izany dia nanomboka nisotro ronono tamin’ny volana fevrier
2012 teo. Rehefa dinihina anefa ny natao tamin’iny folo volana lasa iny dia toa
mbola tsy nisara-nono. Jereo ange e:
Nandrindra sy nanafana ny retraite ny
mpiasan’ny UNICEF ny volana mars. Nanao izany ihany koa ho an’ny PNUD ny volana
avril. Ny volana mai dia nitarika atelier (Workflow simplification) niaraka
tamin’i Bharat ho an’ny UNICEF Mada ihany. Nandeha iray volana mahery (5
semaines) tany Dakar nampiofana PPP ny mpiasan’ny region Afrique de l’ouest et
centrale tamin’ny teny angilisy sy frantsay. Nanampy ny birao UNICEF Mada nanao
analyse de situation manaraka ny approche droits humains tamin’ny volana mai-aout
ary nitarika atelier de formation RBM ho fanomanana programme vaovao tamin’ny
volana octobre ho an’i UNICEF Mada ihany… Izao dia miandry billet sisa handehanana manao vonjy-taitra enimbolana any
amin’ny region MENA ary na ny UNLP aza dia efa aty an-tanana indray… Arak’izany
dia toa lava ihany ilay fisarahan-nono. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: fa
ronono samihafa angaha izy ireo?
Ny marina dia toa
mbola mahatsiaro tena ho afaka hanome anjara-biriky amin’ny fivoaran’ny fiainan’ny
daholo-be nefa tsy mbola mazava tsara hoe aiza no azo hanaovana an’izany eto
Madagasikara… Raha ny fampiofanana
aloha dia mbola tokony hanantona ny tompon’andraikitra: ENAM, IEP, Universites
catholique sy protestante, etc… Eny amin’ny INSPC no efa misy fanantenana fa
azo hampidirana ny APBDH sy ny GAR ampiharina amin’ny fahasalamambahoaka. Nefa moa izany rehetra izany dia any amin’ny trimestre
farany 2013 any vao mety hitranga.
Vetivety ihany dia
niala teny Soavina satria natomboka haingana ny fanamboarana/fanavaozana ny
trano eto Imerinafovoany. Soa
fa teo I Lalasoa nandrindra sy nanaramaso ny asa rehetra: tafo, salles de bain,
menuiserie, maconnerie, fandokona, … Miady varotra, mijery ny kipitsopitsony rehetra ary manara-maso ny asa isan-andro
dia tena vitany soa aman-tsara nandritra iny folo volana lasa iny. Amin’izao
fotoana hanoratako izao dia mivatravatra ny orambaratra ary mbola misy eny
ihany ny mitete amin’ny tafo na ny verriere ao amin’ny terrasse. Na izany aza
dia azo lazaina hoe efa mipetraka daholo ny fanaka rehetra ary ny sary hosodoko
sisa no mila ahantona eny amin’ny rindrina.
Ny vaovao
nahafinaritra indrindra tamin’iny taona iny dia ny nahaterahan’I Tantely,
zafikely voalohany: tovolahy sariaka sady be kiry izay mitady hiazakazaka nefa
zara raha 8 volana izao. Noho ny fiainana sarotra any Yemen misy ady an-trano
dia tonga hanoromponenana eto Antananarivo i Tojo sy Safa’a. Tsy misy ho
lazaina ny momba an’I Haingonirina sy Mialy ary Andry samy manao izay mety any
am-pita any: I Andry no mbola mianatra/miofana fa izy mirahavavy dia efa samy
mikandra mafy ho an’ny tenany daholo. Ny vaovao nampalahelo kosa dia ny fodiamandrin’i
Popone sy Leon: namana akaiky sy nahatokisana izy mirahalahy ireo ka sarotra ny
hanadino azy.
Raha ny fiaraha-monina
indray no jerena dia niditra lalina kokoa tamin’ny fiainan’ny fikambanana Nivo-hary
sy ny fivondronana Pandale izahay: samy fikambanam-pianakaviana izy ireo ary
mahafinaritra satria manamafy ny fifankatiavana sy ny ny fiaraha-mientana. Ny
fanatrehana fanambadiana sy fandevenana moa dia toa mandeha ho azy nefa ange ka
tsy tao anatin’ny routine-ko intsony nandritra ny efa-polo taona mahery e!
Miverina ato an-tsaiko ny fanontaniana napetrako tamin’I dtoa Jean efa ela be:
fa inona moa no tena fifandraisantsika amin’ireo tompo-manjo ireo ? Tsy
fantatro marina leitsy fa Havana izy e! Eto Imerinafovoany moa izahay dia tsy
very mandeha mihitsy satria manodidina anay eto ny taranak’Itompokolahy Ranaivo
Michel izay famangy taloha tamin’ny fahavelon’I Bebe Ramanivo (anabaviny): I
Bodo no tena hifampiresahana amin’ny fiainana an-davanandro; I Ra-fely no
mivarotra ny ronono velona isan-andro; ary I Marie sy Pauline no associes
rehefa hanao contrat institutionnel amin’ny asa hatao! Ny zanak’akohon’I Valencia
sy Polo moa dia tonga mamangy eto an-tokontany isa-maraina… Rehefa asabotsy na alahady dia tonga misakafo
miaraka aminay aty I Mama. Arak’izany dia azo lazaina ara-bakiteny fa
tafaverina aty an-tanindrazana..
Hoy I Dada fahizay
hoe: Aza manao politika leitsy fa tsy haintsika io a! Dia tsy hiresaka politika aho izany fa ‘je n’en
pense pas moins’! Aoka fotsiny hamafisina fa raha mbola mitohy ny
teteza-mitatra dia tsy misy azoko hatao mety aharitra momba ny fiarovana ny zon’ny
ankizy…
Inona no fikasana ho
tanterahina amin’ny taona 2013? Hamita araky izay mety ny asa any amin’iny
faritra arabo iny; hitsidika tany mbola tsy hita (any amin’ny didy maso
ohatra); hikaroka izay fomba tena mahomby hanohizana asa eto Mscar; hamory anay
valo mianaka na dia herinandro fotsiny aza eto Imerinafovoany (tamin’ny
taombaovao 2010 no niarahanay eni-mianaka farany); hanohy sy hanamafy ny fifaneraserana
sy fifanakalozana amin’ny tapaka sy namana izay nilaozana teto 40 taona lasa… ary
hanohy ny fiaraha-mientana amin’I Nivohary sy Pandale.
Miarahaba tratry ny
fety ary mirary taona vaovao ho feno fahasoavana, fahombiazana, fahasalamana sy
fifaliana ho antsika rehetra.
DIA SAMY HO
ELA-VELONA MANDRA-PAHAFATINY DAHOLO E!
