Monday, February 14, 2022

Lasa sahady i Nivo!

Toa vao omaly izahay mirahalahy manao kilaoty fohy manaraka cours ao an-tranon'itompokolahy Melo Rasoamanana: Efa 6ème nefa voatery manomana CEPE satria izay vao ampy 12 taona. I Tsima no fiantson'i Melo azy tamin'izany. Avy eo dia niray kilasy 4ème hatrany amin'ny Première ary i Nivo no fiantso azy. Tsy nisy sérieux ohatran'iny bandy iny hoy Rafitosoa Ranaivo izay (dikan'izay hoe izahay tsy sérieux toy izy ..)! Marina tokoa fa matetika izy no inscrit au tableau d'honneur ary tamin'ny terminale sambany aho nahazo Prix d'excellence satria nisaraka izahay roalahy ary lasany ny Prix d'excellence tatsy amin'ny terminale D faharoa: raha tafaraka izahay dia sûr fa lasany ilay izy. Mbola tsaroako tsara i Mr. Ratsimbazafy, prof de Maths nanontany ahy hoe " Naninona no tsy naka Mention Bien tamin'ny Bac toy i Nivo?" . Tsiky no navaliko azy satria fantatro tsara fa niezaka mafy noho izaho i Nivo ary mendrika azy tokoa ilay mention bien. Roa taona niarahana teny Ankatso nanomboka Médecine ary nandritra ny taona faharoa no niara-nandray anjara tamin'ny 2ème équipe de football fandaniana andro ny asabotsy tolakandro miaraka amin'i Rafitosoa (Médecin-réanimateur any amin'ny faritra Giens/vallée de la Loire), Andrea-Mampionona Solofo (Popone: Chirurgien tany Ambovombe atsimo, Ihosy, Mahitsy efa nodimandry), Ndriana (Expert ny Union Africaine momba ny zon'ny ankizy, Proviseur ny lycée de Majunga, efa nodimandry), Rasamindrakotroka (Prof de Virologie), Naly ( Prof de Santé Publique, efa nodimandry), Gabin, Jean-Marie sy Liva sy ny hafa tsy tadidy anarana. Avy eo dia samy lasa, izy tany Lyon ary izaho tany Paris tamin'ny 1971. Efa avy nody 1978 indray vao nifankahita taty Antananarivo ary hatramin'ny nialako avy teto Madagasikara tamin'ny 1987 dia nifanerasera teo, mitsabo sy mandahatra ny nifin'ny ankizy: mahalala azy tsara izy telo mianadahy zokiny ary ny tsara ho tadidin'ny rehetra dia nandà tsy nety nandray vola taminay mihitsy izy nohon'ny fihavanana sy ny ny firahalahina teo aminay. Ny any fanomezana avy amiko taty aoriana dia sary sikotra hazo avy any amin'ny tany nolaloviko na niasako (Congo, Cameroun, Haiti) ary nanampy ny efa nananany tao amin'ny cabinet dentaire. Tamin'izany izy no efa namorona ilay fikambanana momba ny promotion de la santé bucco-dentaire ary tsy nitsahatra niady hiarovana ny fahasalamambahoaka. Nandritra ny fotoana niasana tany ivelany (UNICEF, 1988-2012) dia nisy fotoana nanaovan'i Nivo mission sady mamangy anay tany Bujumbura izay nipetrahanay 6 taona. Ankoatr'izay dia nihaona foana izahay isaky ny mody aty antanindrazana: izy sy Claude Rabenoro (efa nodimandry) no namana fitsidika rehefa mandalo ary hanarahana ny toe-javatra teto amin'ny firenena. Niditra lalina tamin'ny crise 1991 izy ary avy eo voafidy tao amin'ny conseil municipal teto Antananarivo. Rehefa nody tamin'ny 2012 izahay dia nitohy ny fifaneraserana ary tonga foana izy nandray anjara na tamin'ny fisakafoanana nokarakarain'ny maintimolaly vitsivitsy, na koa rehefa mandalo ry zalahy mipetraka any ivelany (Rafitosoa Ranaivo; Dimitri Frangopoulos) ary rehefa misy lanonana aty amiko dia teo foana izy (2005: 55ème anniversaire mariage dada sy mama; 2018: tafaray Solofo sy Lalasoa mianakavy miaraka amin'ny vinanto vaovao sy ny zafikely. Anisan'ny adi-hevitray mirahalahy ny fikarakarana ny reny efa zokibe. Raha mitsikera ny hataon'i mama aho dia hoy izy hoe: C'est ta maman leissy a! Mampalahelo ity izy lasa alohan'ny reniny. Rehefa tena dinihiko dia nanana principes sy valeurs matotra be ilay zalahy iny ary tsy mahagaga ahy raha nandray anjara tamin'ny fikambanana miafina izy. Namangy izahay androany tolakandro: Tratra antso i Riri Rakotobe, Gerald Andrianarivony Pare sy Ralambohavana Désiré. Nampita hafatra i Rafitosoa Ranaivo sy Frangopoulos Dimitri. Hanatrika fandevenana any Ambohitrabiby amin'ny alarobia.